4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mivady ny fitia - Bessa sy Lola

Nanjary adinao ny adim-pitarainako

Nanjary fianananao ny fiainana iainako

Ny antony satria mivady ny fitia

Satria nivady ny fitia



Rimbona ny aiko raha marary ianao

Ny masina aminao nolalaiko izao

Ny antony satria mivady ny fitia

Satria mivady ny fitia



Mahatratra ahy izay mahazo anao

Tonga alokao ny ratram-poko ao

Ny antony satria mivady ny fitia

Satria mivady ny fitia



Niaraka na faly na ory isika roa

Izany ka fanahy nifankatia tokoa

Ny antony satria nivady ny fitia o o

Satria nivady ny fitia

Ny antony satria nivady ny fitia

Satria nivady ny fitia




Partager mivady ny fitia

Commenter mivady ny fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy Lola

Suite